Voafidy mialoha ny fotoana. Anisan’ny mampiavaka ity fifidianana depiote ity ny tsy nahitana afa-tsy kandidà tokana ihany no nirotsaka amin’ny fari-pifidianana iray.
Tsy nisy mpifaninana aminy ny kandidà any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna amin’ny alalan’ny kandidà Rakotomaronirina Jean sy ny any Lalangina, Rivotiana Jean Bosco ary ny any Sambava, Mamangy Norbert na i Jaky, miaraka amin’ny minisitra teo aloha, Tokely Justin. Samy natolotry ny Irmar avokoa ireo. Efa azo antoka ho depiote ho eny Tsimbazaza izy ireo. “Tsy manova ny zotram-pifidianana izany”, hoy ny Ceni.
Ankoatra izany, minisitra teo aloha maromaro koa no kandidà. Eo ny mahaleotena isany, Reboza Julien any Amboasary Atsimo, Hatefindrazana Jerry sy Nourdine Chabani, samy ao Taolagnaro. Avy amin’ny Irmar kosa, Imbiky Herilaza any Sainte Marie sy Bavy Angela any Fenoarivo Atsinanana ary Soafilira Princia any Analalava.
Namelo-maso ny antokon-drainy kosa, Razanabahiny Francette, kandidàn’ny Vonjy iray tsy mivaky (VITM), any Vangaindrano sy Ratsiraka Sophie any Vatomandry.
Hifandona ny samy mpanohana
Ny any Vangaindrano sy Ivohibe no maro indrindra ny kandidà. Samy valo avy. Fito avy kosa ho an’ny any Ifanadiana, Antananarivo Atsimondrano…
Hiavaka ny ao Ikongo amin’ny hifanandrinan’ny Firaisankina, Razafitsiandraofa Brunelle sy ny Irmar. Tahaka izany koa Ambatofinandrahana. Hifampitana Razanamahasoa Christine sy ny Irmar. Ny samy mpanohana kosa no hifandona any Ikalamavony. Eo ny depiote amperinasa, Raharimampionona hifanandrina amin-dRakotoniaina Pety, mahaleo tena.
Loholona amperinasa nirotsaka any Mananara, Raharinirina Sidonie. Niverina ho kandidà koa ireo efa depiote teo aloha. Anisan’izany Zakahely Boniface any Mananara, Ravelonjato Bernard any Miarinarivo, Razafindrakoto Fanja any Benenitra.
Synèse R.