Tafita amin’ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions», taranja baolina kitra ny PSG. Resiny tamin’ny isa mazava, 4 no ho 1 tao amin’ny kianja filalaovany ao Montjuïc, ny FC Barcelone ny talata lasa teo, nandritra ny lalao ampahefa-dalana miverina. Nahavita ny “remontada”, ny Parizianina rehefa resin’ny Barça, 3 no ho 2 nandritra ny lalao mandroso, tany Frantsa. Nanokatra ny isa voalohany, ny mpampiantrano tamin’ny alalan’i Raphinha, teo amin’ny minitra faha-12. Nanova ny endri-dalao kosa ny fahazoan’i Araujo, karatra mena ho an’ny FC Barcelone teo amin’ny minitra faha-29. Hain’ny Frantsay ny nanararaotra izay tsy fahampiana teo amin’ny mpifanandrina aminy izay, ka nanasahalany ny isa ho 1 sy 1 tamin’ny alalan’ny baolina tafiditr’i Dembelé, minitra faha-40. Io isa 1 sy 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, nampiditra ny baolina faharoa i Vitinha, teo amin’ny minitra faha-54, mbola nampian’i Mbappé izany tamin’ny “penalty”, minitra faha-61 sy ny baolina fahefatra matiny, 1 mn tsy hiravana. Ankilany, lavon’ ny Dortmund tamin’ny isa 4 no ho 2 ihany koa ny Atletico de Madrid, tao Iduna Park. Hifandona eo amin’ny manasa-dalana izany ny PSG sy ny Dortmund ka ny 30 avrily ny lalao mandroso any Alemaina ary ny 7 mey ny lalao miverina ao Paris.
Tompondaka