Naiditra am-ponja eny Antanimora : saron’ny polisin’ny BC ireo jiolahy mpangalatra fiara

Naiditra am-ponja eny An­tanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voa­sambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sake­lika fahefatra (BC4) teny An­dravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampi­tain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no nanafika tokantrano iray eny Antani­mora. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 500 000Ar, fiara iray, finday roa avolenta, fahitalavitra niaraka tamin’ny firavaka volamena. Tsy vitan’ izay fa niharan’ny vono ihany koa ireo tompon-trano ka na­ratra mafy. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka tratra teny Andravoahangy ny iray amin’ireo jiolahy, ny 11 avrily 2024. Niainga avy amin’ ny famotorana azy no nahafahana nisambotra ireo namany telo hafa teny Ankadifotsy. Nomarihin’ny polisy fa ny iray amin’ireto jiolahy tratra ireto dia zanaky ny mpamilin’ny tompon-trano ihany. Maro ny fanafihana vitan-dry zalahy ireto teto an-dRenivohitra, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana izy ireo taorian’ ny famotorana ka niafara tamin’ ny fampidirana am-ponja.

Jean Claude

Partager sur: