Sodokan’ny vola

 

Trangam-piarahamonina iray, mahazo vahana ny famonoan-tena. Ankoatra ny sarintsarina famonoan-tena mety hanafenana vono olona iniana natao. Tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga. Mahatonga saina ny mahita zaza vao folo taona efa mahasahy manapitra ny ainy. Tena mampametra-panontaniana tanteraka.
Ankoatra ny famonoan-tena, mihamaro ny zatovo
mitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny. Andaniny, voalaza fa noho ny ditra sy ny rendrarendra no mahatonga izany. Tsy mahatohitra ny fakam-panahy izy ireny. Tsy maha­resy tosika ny mena miraviravy tanana. Ny tsy matahotody, mpanimba ankizy rahateo efa mielipatrana etsy sy eroa. Manararaotra ny faharefon’ny tovolahy sy tovovavy.
Ankilany, mahatonga ny tanora hivarilavo sy hamoy fo matetika ny olana sedraina eny anivon’ny fianakaviana sy ny sekoly ihany koa. Zary ankilabao sy antsirambina ny fikolokoloina ilay fiainam-pianakaviana. Tsy lohalaharana intsony ny fikajiana ilay “hasina” sy “fifankatiavana” ani­von’ny ankohonana. Variana amin’ny fitadiavana izay ho harapaka ny mafimafy ady. Variana mampitombo harena ireo efa mpanefoefo.
Sodokan’ny herin-dravola sa soavaliany ilay Mala­gasy? Tena andohalika ny ranom-bary raha mikasika ny fibeazana ny zaza sy ny tanora. Toa velombelom-poana eny ireo lazaina fa hoavin’ny firenena. Vitsy no hany migoaka ny fahasambaran’ny fahazazana sy ny fahatanorana eo ambany fiahian’i dada sy i neny.
Manana andraikitra lehibe amin’ny fiahiana ny fianakaviana ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny fia­hiana ara-tsosialy. Tsy vitan’ny fanipatsipazana izay in­dray manokona. Tsy vitan’izay fa voafetra ho an’olom-bitsy dia ireo heverina ho mpanohana tamin’ny fifidianana.
Sanatrian’ny vava: na ray aman-dreny, na raiaman­dreny toa manao ankilabao ny zanany!

r.r

Partager sur: