Miisa 236 ny tantsaha nahazo kojakojam-pamokarana, any amin’ny kaominina Vohitrafeno sy Vinanitelo, distrika Vohibato Fianarantsoa. Milanja 2 124 kg ny zezika azon’izy ireo, zezika simika 3 540 kilao ary zezika organika 17 700 kg. Tohana avy amin’ny tetikasa Purpa, ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), vatsian’ ny Bad sy ny FDA ara-bola.
Mandray anjara amin’ny fivoriambe momba ny angovo azo havaozina (Irena), atao any Abu Dhabi (Emirats Arabo Mitambatra) i Madagasikara (16-18 avrily). Fanasana maha mpanara-maso no azontsika, mialoha ny hidirana ho mpikambana feno. Anisan’ny tombontsoa azo amin’ny Irena ny famatsiambola amin’ny tetikasa mikasika ny angovo azo havaozina.
Ampitaina amin’ny fantsona ny solika entin’ny fiarabe avy any Vohemar, ary afindra amin’ny fiarabe hafa indray, ho entina any Sambava, Antalaha, Andapa. Antony, tsy azo andehanan’ny fiarabe mihoatra ny 5T ny tetezana eo Manambery, simban’ny rivodoza Gamane farany teo.
Natolotra, ny 16 avrily teo, ny voka-pikarohan’ ny manampahaizana, momba ny hametrahana fari-
dranomasina arovana vaovao (AMP) any amin’ny helodranon’i Diego Suarez. Ao anatin’izany ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, sy ny ara-tsosialy sy ny toekarena. Niandraikitra ny fikarohana ny ONG Mada.