Nalaina tao Isalo: Sprinter nahatrarana baobaba 18 kesika

Tsy mety fongana! Saron’ ny zandary mpanao sakana tao Ankaramena, RN 7 PK 510+100, ny fiara Sprinter mpitondra entana nitondra zanaka baobaba na Jabihy Operculicarya decaryi 18 kesika, afakomaly vao maraina. Avy any Isalo hihazo an’i Fianarantsoa ity fiara ity no tratra nitondra ireto hazo voarara tsy azo aondrana ireto. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambalavao, efa nahazo loharanom-baovao mialoha izy ireo momba ny fisian’io fiara mitondra baobaba io. Somary nampiahiahy ireo zandary mpanao sakana ny fihetsiky ny mpamily teo am-pisakanana ny fiara. Niroso tamin’ny fisavana ny zandary ka hita tao anaty fiara ireo zanaka baobaba efa vita lamina anaty kesika marobe. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana mitondra ireto baobaba ireto rahateo teny amin’ilay mpamily. Nilaza ity farany, nandritra ny famotorana savaranonando, fa nalaina tao amin’ny valan-javaboahary Isalo ireo zana-kazo ireo ka saika hoentina hihazo an’i Fianarantsoa. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary ka notanana ny mpamilin’ny fiara. Naiditra ambalan-tsazy koa ilay fiara. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ny mpamily. Marihina fa efa nisy jabihy 24 gony koa tratran’ny zandary tao anaty taksiborosy iray avy Toliara, ny volana febroary lasa teo. Nilaza ny mpamily nandritra ny famotorana fa hoe fantany tsara fa voarara ny fitrandrahana baobaba saingy niezaka nanafina izany izy. Ilaina fahazoan-dalana ny fitrandrahana azy io.

Jean Claude

Partager sur: