Olona telo nitondra sokatra nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ampotaka, Beheloka, Toliara II, ny 16 avrily teo. Naka sokatra miisa 21 ireo fito lahy niray tsikombakomba. Nataon’izy ireo sakafo teny an-dalana ny efatra. Nanao ny asany, nidina ifotony ny mpanara-maso sy mpiaro io karazam-biby arovana io. Nifanehitra tamin’ireo lehilahy nitondra sokatra. Nahatrarana sokatra miisa 17 teny amin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany ireo fito lahy saingy nandositra ny efatra. Voasambotra ireo telo lahy namany ka natolotra ny zandarimaria hatao fanadihadiana. Nogiazana ireo sokatra am-polony sarona teny amin’izy ireo. Mitohy ny fikarohana ireo nandositra. Marihina, voararan’ny lalàna ny fihazana, fihinana, indrindra ny famarotana ny biby ahina ho lany tamingana toy ny sokatra.
Tsiferana R.