Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : «Tsy mitombina ny fitorian’ny Abmi», hoy ny FSBM

Namaly ny fangatahan’ny klioba Amical bouliste Mandrosoa Ivato (Abmi), ny Federasiona sport boule malagasy (FSBM). Taorian’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tsipy kanetibe, malagasy sy ny iraisam-pirenena, tsy mitombina ny fitorian’izy ireo.

Tsy nahazo rariny ny fangatahana hanintsanana ny ekipan’ny Union bouliste Manjaka (UBM), tompon’ny amboaran’i Madagasi­kara 2024, taranja tsipy kanetibe, nataon’ny Amical bouliste Mandrosoa Ivato (Abmi). Nam­baran’Andrianirina Adrien, filoha mpitantana ny Federasiona, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Tsia­zotafo, fa 2 andro taorian’ny fahavitan’io fifaninanam-pirenena io, natao tany Antsirabe, ny 5 – 7 avrily lasa teo, nandefa taratasy ny filohan’ny klioba Abmi, Razafinarivo Miarima­nana, ny hanesorana ny anaram-boninahitra azon’ny UBM. Voalazany fa tsy ara-dalàna ny fifindran-toeran-dRazafinirina Jeannie Alexander.
Nijery ireo andinin-dalàna sy fitsipika iraisam-pirenena sy malagasy mifehy ny tsipy kanetibe ireo komity mpitantana ny FSBM, nivory tao Ma­hamasina, ny alarobia lasa teo. Rehefa no­dinihina tamin’ ny antsipiriany, tsy azo raisina ny fangatahana nataon’ity klioban’ny Mandrosoa Ivato ity. Voamarin’ ny andininy faha-31 ao amin’ny Federa­siona iraisam-pirenena sy ny Federasiona nasionaly mpikambana, nankatoavina ny volana desambra 2020, izany. Voalaza ao anatin’izany, fa atao amin’ny mpitsara ny fitarainana rehetra. Tsy azo raisina intsony izany raha toa ka tontosa hatramin’ny farany ny lalao.
Araka izany, notazomina sy nankatoavina ny vokatra tamin’iny fiadiana ny amboara iny. Hisolotena an’i Madaga­sikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Maroc, ny 6 – 9 jona ho avy izao, ny ekipan’ny UBM, nisy an’i Faly Donald sy i Hery Nirina ary i Jeannie Alexan­der. “Hiankina amin’ny fanalan-tsazy avy amn’ny Federa­siona iraisam-pirenena, izay antenaina fa ho voafafa nefa izany”, hoy ny filohan’ny FSBM.

Torcelin

Partager sur: