Ranomaso, horakoraka…ny an’ireo ray aman-drenin’i Mitia, ilay ankizivavikely maty voadonan’ny kamiaobe, omaly hariva, teny Ambohimangakely. Nipotsaka ny atidohany, nandriaka eraky ny arabe ny ra. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, niampita ny arabe izy no notsenain’ilay kamiaobe. Vavitokan’ny ray aman-dreniny anefa izy kanjo izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Mpianatra kilasy fahenina ao amin’ny FJKM Ambohimangakely i Mitia. Hamonjy fodiana eny Betafo Ambohimangakely izy. Tonga nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary. Tazonina hanaovana famotorana kosa ny mpamilin’ilay kamiaobe namoa-doza. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Anisan’ireo lalana ahitana fiara mifamezivezy mandeha mafy rahateo iny lalana Ambohimangakely iny.
Tsiferana R.