Voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny tanany ny raim-pianakaviana iray, nandritra ny fandrobana nataona dahalo tao Mangasoavina, distrika Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Mody nandodona tao an-trano, nitady vonjy fa misy olona marary mila fanafody maika ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Namoha ny varavarana ny tompon-trano sady nitazona basy. Nahita io raim-pianakaviana io nitana fitaovam-piadiana, nitifitra ireo olon-dratsy rehefa nisokatra ny trano. Naratra voan’ny bala ny tanan’io lehilahy namoha trano io. Latsaka ny basy teny aminy. Nanao tongotra an-katoka nitsoaka ireo olon-dratsy izy mivady. Tetsy ankilany, niditra tao an-trano ireo dahalo. Norobainy avokoa ny vola mitetina 3 tapitrisa Ar, niampy basy. Fanampin’ireo, Lasan’izy ireo koa ny finday tao an-trano. Nitsoaka nandositra ireo dahalo dimy lahy samy nitam-basy ireo taorian’izay. Nentin’ny zandary namonjy toeram-pitsaboana ilay lasibatra. Nentanin’izy ireo ny fokonolona ao an-toerana hampita ny vaovao vantany misy mampiahiahy. Mitohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
J.C