Anisan’ireo vakoka tafiditra ho anisan’ny toerana miavaka sy zava-naorina ny Rovan’Antongona. Nisy ny fitsidihana teny an-toerana, nanasongadinana azy indray.
18 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny toerana miavaka sy zava-naorina. Noho ny antony manokana, omaly 19 avrily vao nanamarika izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. “Toerana miavaka sy zava-naorina, vonona hiatrika ny loza manambana”, ny lohahevitra noraisina tamin’ity fankalazana ity. Nosafidiana manokana ny rovan’Antongona, ao amin’ny kaominina Morarano, faritra Itasy, noho izy voasokajy ho anisan’izay toerana miavaka izay. Rafi-bato maina natsangana efa tamin’ny taonjato faha-18 mantsy ity toerana ity. Anisan’ireo tendrombohitra 12 nandrafitra ny fanjakana Imerina, tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Nisolotena ny Icomos (Filankevitra iraisam-pirenena momba ny tsangam-pahatsiarovana sy zava-naorina) izay mpiara-miombona antoka amin’ny minisitera tamin’izao hetsika izao ny Profesora Rofolo Andrianaivoarivony, mpampianatra mpikaroka misotro ronono. “Mitovitovy amin’ny rovan’Ambohimanga ny rovan’Antongona, manana ny maha izy azy, tokony hanaovana taratasy ho lasa vako-pirenena. Rafi-bato maina no nananganana azy efa tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18 fa io izy mbola mijoro mandraka ankehitriny io. Aleo misoroka, sao hanao soro-baton’ilay jamba ka voa vao mihilana”, hoy ity manam-pahaizana momba ny arkeolojia sy sy ny vakoka ity. Efa tamin’ny taona 1982 no nankalazana izany voalohany teto Madagasikara. “Midika izany fa miroso hatrany amin’ny dingana ambony kokoa isika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Fetra Rakotondrasoava, tamin’ny kabary fanokafana. “Reharehan’ny tanàna, ny faritra sy ny firenena ny toerana miavaka toa itony rehefa voakajy sy voahaja. Fanamby lehibe sady maika ny fikarakarana azy ireny”, hoy hatrany izy. Hitohy hatramin’ny 26 avrily ny fampahafantarana ireo harem-bakoka maro manerana ny Nosy. Halefa ao amin’ny tambajotran-tserasera, amin’ny alalan’ny pejy fesibokin’ny minisitera sy ny haino amanjerim-panjakana, izany. Hisy koa ny tafasiry hatao eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny 26 avrily ho avy izao.
Zo ny Aina