Soanierana Ivongo : nahazo zezika sy masomboly ny tantsaha

Nanatrika ny fizarana ny zezika sy masomboly tany Soanierana Ivongo ny filoha Rajoelina. Anisan’ny nambarany koa ny hanamboarana tetezana miampita mankany amin’ny Nosy Sainte-Marie.

Natao tany Soanierana Ivongo, omaly 19 avrily, ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ny tantsaha traboina vokatry ny rivodoza Gamane farany teo. Miisa 5 000 ny tantsaha nisitraka tantsoroka avy amin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Anisan’ny masomboly azon’izy ireo ny vary, katsaka, voan’anana ary voankazo maro isan-karazany. Karazany telo ny zezika, nahitana NPK, Urée ary zezika organika.
An’arivony taonina ny ze­zika nozaraina. Nilaza ny mini­sitra Minae, Ratoharijaona Suzelin, fa tanjona ny fanampiana sy fanarenana ny fiai­nan’ny tantsaha.
Mahatratra 1 500 ha ny ta­nimbary sy tanimboly simban’ ny rivodoza tany Soanierana Ivongo. Mirefy 2 500 ha kosa ny velaran-tany narenina. Nilaza ny filoha, Rajoelina Andry, fa « izay mamangi­vangy tia-kavana. Fantatro fa tia ahy ianareo. Mila mifanampy isika rehetra na an-kafaliana na an-karatsiana ».
Nanome toromarika ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, amin’ny hanara­ha-maso ny fitsinjarana ireo zezika sy masomboly ireo mba ho ampy hifanaraka amin’ ny filan’ny tantsaha.

Hasiana tetezana mankany Sainte-Marie

Nampanantenain’ny filoha, Rajoelina Andry, fa hovitaina ny kianja sy ny EPP any Soa­nierana Ivongo. Nambarany koa fa hasiana tetezana miam­pita eo Soanierana Ivongo mankany amin’ny Nosy Sainte Marie. Antony, hisorohana ny loza an-dranomasina mety hitranga.
Mahakasika ny fangata­han’ny ben’ny Tanàna lefitra hanaovana ny kaominina ho renivohitra, nilaza ny filoha Rajoelina fa « horaisina ny didim-panjakana momba izany ». Nohamafisiny fa maika ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara ary mila olona mahay miara-miasa aminy izy hanafainganana ny asa.

Lin sy Njaka A.

Partager sur: