Mpanao taxi-moto iray maty nipotsaka atidoha vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Bel’air, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alakamisy 18 avrily tamin’ny 9 ora sy sasany. Niandry mpandeha teo amin’ny sisin-dalana niaraka tamin’ny namany io mpitondra moto io. Nandalo tampoka anefa ny kamiao lehibe iray nitodi-doha hihazo ny lalan’ Ambohidratrimo. Nianjera ilay mpanao taxi-moto ka notetezin’io kamiao io. Voahitsaky ny kodiarana aoriana havanan’ilay kamiao ny lohan’ilay lehilahy. Nipotsaka ny atidohany. Niparitaka teo amin’ny arabe. Nikodia teo afovoan-dalana ny moto nipetrahany. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ireo nanatri-maso. Nohazonina ny mpamily ilay kamiao ary naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Atolotra ny fampanoavana, aorian’ny fanadihadiana, ilay mpamily. Marihina, niseholany, tato ho ato, ny lozam-pifamoivoizana ka mpitandro scooter ny ankamaroan’ireo lasibatra. Efa nalain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy.
Tsiferana R.