Tsy mbola tapitra akory ny dian-tantara mahakasika ny kianjaben’i Mahamasina sy ny Barea de Madagascar ary ny tontolon’ny baolina kitra. Eo anivony mihitsy ny rehetra amin’izao fotoana izao. Efa nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ny filohan’ny federasiona malagasy, fa miezaka manitsy ny tsy mety izy ireo. Toy ny sahobakaka ambodirina ny kianja Barea, tsara toerana saingy be tebiteby. Feno fanahiana tokoa ny rehetra ankehitriny. Hiankina amin’ny valintenin’ny Kaonfederasiona Afrikanina (Caf) mantsy ny hahazoana mampiantrano ireo lalao hataon’ny Barea, eo amin’ny fifanintsanana ny «Mondial 2026».
Toy ny sahobakaka ambodirina ny baolina kitra malagasy, tsara toerana saingy be tebiteby. Mirenty dia mirenty tokoa ny kianja Barea, avo sy manerinerina ho an’ny Malagasy saingy mangavoka ho an’ny tomponandraikitry ny baolina kitra Afrikanina. Toy ny sahobakaka ambodirina, avo fipetraka fa feno tahotra. Mitebiteby fatratra tokoa ny amin’izay ho lazain’ny Caf. Eo am-pelatanan’izy ireo ny ain’ny Barea de Madagascar. Tompom-baolina izy ireo ka izay tiany ihany io.
Manoloana izany, mifanome tsiny am-pitoerana ny samy tomponandraikitra, mifamendrofendro ny mpikarakara, mifangarika ny samy mpakafy ka toy ny sahobakaka ambodirina, avo fipetraka fa feno fanahiana. Manify, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao ny mety hahazoan’ny kianja Barea Mahamasina fankatoavana ka hahafahana mampiantrano ny lalao ny volana jona ho avy izao. Sahobakaka ambodirina ê! Avo toerana fa be tebiteby. Samia mitondra am-bavaka fa ny fivavaky ny maro manova zavatra.
Tompondaka