Fampiroboroboana ny fizahantany : tokony hampitomboina ny mpitaridia matihanina

Singa iray mampihodina ny toekarena ny sehatry ny fizahantany. Ity farany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana izao. Nahita asa avokoa ireo mpitaridia tamin’ny taona 2023, na izany aza, miandrandra ny hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena ny fikamban’ireo mpitaridia mpikambana ao amin’ny Association nationale des guides (ANG) hitohizan’ny fahatongavan’ireo mpizahatany eto amintsika. Ankoatra izay, mbola vitsy ireo mpitaridia matihanina sy za-draharaha eto Madagasikara rehefa niala tamin’ny asa izy ireo vokatry ny krizy nateraky ny covid-19. « Manodidina ny 10% ireo mpitaridia tao amin’ny ANG  no niala tsy ho mpikambana noho ny valanaretina », hoy ny filohan’ny ANG, Raso­lohery Bodomanana, nandritra ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fikambanana tetsy Analakely, ny zoma teo. Noho izany, mamolavola mpianatra asa mpitaridia 50 matihanina ny fikambanana hanohizana ny ezaka vita sy hamaliana ny tinady takin’ny sehatry ny fizahantany.

Vina
Masoivohon’i Madaga­sikara ireo mpitaridia noho izy mifandray mivantana amin’ ireo mpizahatany. Mitaky fahaizana tenim-pirenena 11 ny asa sahaniny, toy ny teny frantsay, anglisy, alemanina, espagnole. Eo ihany koa ny teny russe, perse, hongroise, mandarin, coréenne, japonaise ary polonaise. Ahafahana manatsara ireo tolotra isan-karazany izany satria mandray mpizahatany avy amin’ny firenena maro i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fahatrarana ny 500 000 mpizahatany, tanjona apetraky ny minisitera amin’ity taona ity.

Henintsoa H.

Partager sur: