Fanapoizinana ara-tsakafo : roa maty, enina niditra hopitaly

Mampalahelo! Noho ny fahasahiranana ara-tsakafo, lasa mihinankinam-poana ny ankamaroan’ny tokantrano. Nisy mpanjono nahita zerikanina nitsingevana tao amin’ny ranomasin’i  Mahavelona Foulpointe, ny alarobia lasa teo, ary nitondra izany tety an-tanety. Rehefa nosokafana ilay izy, zavatra toy ny sira no tao anatiny ka nifampizarany tamin’ny namany niara-nahita ilay zerikanina voalohany. Nisy ireo nanao izany tamin’ny mangahazo nandrahoany, tao ny nampiasa azy tamin’ny laoka.
Vokany, tsy niandry ela fa ny olona roa izay nihinana voalohany nahatsiaro ho narary kibo sy nandoa. Noentina tao amin’ny hopitaly any an-toerana saingy tsy tana ny ainy. Nanapa-kevitra ny mpitsabo tao an-toerana fa tsy maintsy nafindra ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo enina mbola manaraka fitsaboana. Tsy ampy fanentanana ny vahoaka amin’ny tsy tokony hihinanana zavatra tsy fanta-pihaviana mety hitondra loza.

Sajo

Partager sur: