Feno ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Imahamasina. Fampisehoana nanjakan’ny fitiavana ny « Hiaka Fiderana » andiany faharoa. Fitiavana an’Andriamanitra, fitiavana ny tanindrazana, fitiavana sy fanampiana ny mpiara-belona, fitiavana ny mpiray tanindrazana, fitiavana sy firaisam-po amin’i Kristy, sns.
Ireo hira fiderana anisan’ ny maro mpitia rahateo no nentin’ireo antoko mpihira na tarika nanafana ny fon’ny mpijery. Anisan’ireny ny « Hay teo foana i Kristy », niarahana tamin’i Rija Ramanantoanina sy Nanie. Ny « Raha re », nohirain’i Nanie sy Rija Ramanantoanina ary i Luc. Ny « Nosy tanindrazako », nokaloin’i Rija Ramanantoanina sy Luc. Ireo rehetra ireo, nialohavan’ny « Tohano mafy », nohirain’Ny Antsa an’i Kristy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny tolotra nomen’ny antoko mpihira mikambana avy ao amin’ny STK foibe.
Ankoatra ny fanehoana sy fampanjakana ny fitiavana, anisan’ny nisongadina tamin’ ity « Hiaka Fiderana 2 » ity ny fisian’ny rindrandamina ho an’ny mpijery sy ny teny an-tsehatra. Tsara fiomanana ny rehetra, hany ka mora ny nifampita hafatra. « Madagasikara, tsy mijaly, tsy mahantra… », hoy ny fanentanan’i Rija Ramanantoanina, raha naneho ny halehiben’ny fitiavan’i Kristy ny Malagasy izy. Niara-niredona ny « Tiako ny hiaraka aminao Jesoa » ny rehetra!
HaRy Razafndrakoto