Eto Madagasikara, ny 34% amin’ny zaza latsaky ny herintaona no tsy mbola nahazo ny fatram-baksiny voalohany tokony ho natao azy, araka ny antontanisa avy amin’ny OMS sy ny Unicef. Homarihina ny 26 avrily ho avy izao ny faha-50 taonan’ny fandaharanasa fanaovam-baksiny.
Nanomboka omaly ary hitohy ao anatin’ny roa andro manaraka, hisy fiakarana kely ny maripana ambony ho an’ny afovoantany, ny tapany avaratry ny Nosy, avaratra andrefana ary afovoany andrefan’ny Nosy manontolo, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Toy ny fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, nanatanteraka hetsika « Tagnamaro » ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny famaranana ny asa fanatsarana ny tamboho mamefy ny LTA Ampefiloha, miampy fandokoana, ary fanohizana ny asa fanatsarana ny manodidina ny foiben’ny minisitera no natao.
Eo am-piandrasana ny sambo hitondra ireo fanampiana ho any avaratra atsinanana na any Sava ny BNGRC amin’izao fotoana izao. Rehefa tonga izay sambo izay, ho avy tsy ho ela any an-toerana ny fanampiana ho an’ireo tradoza . Ny 24 avrily ho avy izao no manomboka andrasana ao Antalaha ity sambo ity. Efa miainga ihany koa ny sambo Pascal mitondra solika ho an’ny faritra Sava .