Hiainga anio amin’ny 1 ora atoandro, etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ho any Egypte, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo. « Mbola olana ho anay ny resaka fampiantranoana « hébergement » ireo mpilalao, indrindra ny saram-pandraisana anjara “droit d’engagement” », hoy i Said Bruno Eric, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Judo (FMJ), omaly.
Hiezaka hitady vahaolana izy ireo saingy rehefa tsy misy izany, hifampiresaka amin’ny mpikarakara ny lehiben’ny Federasiona, mba handraisan’i Madagasikara anjara amin’io fifanintsanana io saingy hanao « engagement » izy ireo amin’ny fandoavana ny saram-pandraisana anjara. Manao antso avo amin’ireo rehetra vonona hanampy mahakasika ireo olana ireo ny federasiona. Tsiahivina fa hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao olympika 2024” izay hatao any Paris, ity fifaninanana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa tapakila telo ihany no nomen’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena sy ny tanora (MJS).
Tsara marihina fa ry Rasoanaivo Laura sy Razafindrakalo Natacha, vehivavy malagasy judoka, no mpilalao misitraka ny tapakila roa. Natao ho an’ny mpanazatra azy ireo, Randriamasinoro Mamy, izay tale teknika nasionalin’ny federasiona kosa ny iray. “Ho fantatra, anio, kosa ny dian’i Angelo, lehilahy, Malagasy mpilalao. Raha tsy misy ny fiovana farany, tokony handeha izy”, hoy ihany ny lehiben’ny FMJ.
Fitia Randria