Kitra –Telma Coupe: tafita ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nifarana omaly ny 1/16, fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­sikara, « Tel­ma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana ny Elgeco Plus, nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa sy ny CFFA Andohara­no­fotsy, tompon’amboara lefitra farany.
Ny ekipan-dra Heribe, mpanazatra ny CFFA, nanaporofo ny maha ekipa sangany azy ireo omaly, teny amin’ny Elgeco Plus. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny ekipan’ny Mi20 FC Analamanga. Tsy nahatohitra ny mpilalaon’Andoharanofotsy mihitsy io klioba avy ao amin’ny ligin’Analamanga io.
Somary sahirana teo an-kianjany kosa ny Elgeco plus, omaly, vao tafavoaka teo anatrehan’ny Toulon FC. Daka tokana tafiditr’i Mamisoa, teo amin’ny minitra faha-90 nilalaovana no nivoahan’izy ireo ho mpandresy, tamin’ny isa 1 no ho 0. Resy am-boninahitra ny Toulon FC, tsara ny endri-dalao nasehon’izy ireo teny ambony kianja.
Tsara marihina fa izay mandrombaka ny amboara amin’ity, hanao ny « Super Coupe » amin’ny Elgeco Plus. Raha mbola azon’ny Elgeco Plus izany, izy ireo no solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaon­­federasiona Afrikanina “Coupe de la Conféderation de la CAF”.

Fitia Randria

Partager sur: