itsidika an’i Madagasikara nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 avrily ho avy izao ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny firenena aty atsimo sy atsinanan’i Afrika, Etleva Kadilli. Hijery ifotony ny fandaharanasan’ny Unicef eto amintsika sy hitafa amin’ny vahoaka momba ny fiantraikan’ireo asa samihafa ireo izy. Nahita mivantana ny vokatry ny haintany any amin’ny distrikan’Ambovombe izy nandritra ny diany tany an-toerana, omaly. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny kilonga any ny olana amin’ny fahazoana rano madio. Tsy ampy ho an’ny fihariana sy ampiasaina amin’ny filana andavanandro ny rano vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy tomombana ihany koa ny fisitrahana tolotra fahasalamana sy fanabeazana manana ny kalitao takina ho an’ny ankizy.
Ankoatra ny any atsimo, hihaona amin’ny mpitondra fanjakana ity tomponandraikitry ny Unicef ity ary hanokana fotoana hitafana amin’ny ankizy sy ny tanora malagasy. Mila henoina ny feon’ny ankizy momba ny zavatra mahakasika azy ireo mivantana.
Mifanojo amin’ny fitsidihan’ny delegasion’ny Filankevitra maneran-tany ho fanaraha-maso ny lefakozatra ny fandalovany eto amintsika. Hanohana ny haitaky miaraka amin’ny delegasiona izy amin’ny fanamafisana ny rafitra fanaovam-baksiny. Hisy hetsika fanaovam-baksiny lehibe, araka izany, ho an’ireo ankizy tsy nahazo fatram-baksiny mihitsy. Eo koa ireo tsy nahavita hatramin’ny farany ny andiam-baksiny rehetra tokony hotanterahina mialoha ny faharoa taonan’ny zaza.
Vonjy