Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao Amparihikapika, 7 km avaratra andrefan’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, ny 14 avrily teo. Nokarohina nanomboka ny taona 2021, i Gué. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody tao Ikelimahavoky io dahalo io. Nikasa hifindra monina ary nitondra vatsy toy ny fotsim-bary izy. Manana karine mirakitra ny fifindrany monina izy. “Nandrebirebeny ireo olona any amin’ireo tanàna nifindrany mba hiheveran’ny olona azy ho madio io karine pasipaoro io”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Voarakitra tao anatin’io ny toerana nialany sy ny toerana hifindrany. Niala tao amin’ny tanànan’Ambohimiandra i Gué ka tokony hihazo an’Amparafaravola, araka ny voasoratra anatin’ilay taratasy. Nivily lalan-kafa anefa izy. Voasambotry ny mpitandro filaminana io dahalo io. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary, nirefotra tampoka ny basy nataon’ ny dahalo namany. Nanararaotra nandositra i Gué. Nanda ny fampitandreman’ny zandary nisambotra azy ka lavo. Mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo mpiara-dia aminy.
Tsiferana R.