Hotontosaina ny 5 mey ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja moto scooter. Ankoatra izay, notanterahina omaly, teny Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana « Enduro Motul Sherco ». Eo amban’ny fiahian’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ireo fifaninanana ireo.
Niainga afakomaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hihazo an’i Kampala Ouganda, ny delegasiona malagasin’ny taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana izy ireo manomboka anio hatramin’ny 25 avrily ho avy izao.
Tontosa afakomaly alina, tany Wembley Stadium Angleterre, ny lalao manasa-dalan’ny “FA Cup” Anglisy, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana famaranana ny Manchester City rehefa nandavo ny Chelsea FC, tamin’ny isa 1 no ho 0. Tsiahivina fa izay tafavoaka mpandresy amin’ny Manchester United sy ny Counvetry City no hanao famaranana amin’izy ireo.