Mitentina 4 530 miliara Ar ny fanafarana nataon’ i Madagasikara, nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Nibahana manokana tamin’izany ny akora fototra, izay nahatratra 1 029,2 miliara Ar. Manodidina ny 972 miliara Ar ny angovo, raha 812,7 miliara Ar ireo fitaovana ary 651,5 miliara Ariary ny sakafo nafarana.
Miisa 14 550 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, nandritra ny volana marsa teo. Mitotaly 36 883 izany tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Niakatra ny tarehimarika raha oharina tamin’ny volana marsa, taona 2022, izay manodidina ny 12 442. Teratany frantsay avokoa ny 42,84% amin’ireo mpizahatany tonga eto amintsika.
Mahantra avokoa ny Malagasy 24,8 tapitrisa, raha manodidina ny 30,3 tapitrisa ny isan’ny mponina, ny taona 2023. Miaina amina vola latsaky ny 2,15 dolara isan’andro, izany hoe, 9 245 Ar ny 80,7% ny Malagasy, tamin’ny taon-dasa. Ambony ny tahan’ny fahantrana, vitsy ihany koa ny asa miforona, raha oharina amin’ny fitomboan’ny mponina.
Hitantana ny orinasa Jirama i Ron Weiss, injeniera israelianina. Teratany vahiny nahavita nanarina sy nitantana ny orinasa Energy Group any Rwanda. Ho avy eto amintsika ny volana mey izao ny tenany ka handray ny andraikiny aorian’izay. Tsiahivina fa efa nizara ny fahaizany sy ny traikefany tamin’ny mpitantana ny orinasa izy, ny volana febroary 2023.