Betsaka ny olona mahatsapa sy mahafantatra fa voan’ny rarintsaina amin’izao fotoana izao. Noho ny olana maro mianjady aminy, na eo anivon’ny tokantrano, any am-pianarana, ny any amin’ny toeram-piasana…
Mety ho voan’ny rarintsaina avokoa ny olon-drehetra, zaza hatramin’ny olon-dehibe. Maro ny antony mahatonga ny tsindry ho an’ny tanora. Mety ho olana azo tany an-tsekoly, na ny tsy fahaizana ny fanadinana, tsy fihetezan’ny fifandraisana amin’ny mpiara-mianatra na ny namany… Mahatonga azy io ihany koa ny tsy fahampian’ny torimaso, sakafo, ny ratram-po.
Miseho amin’ny olona iray izany rehefa misy olana, be asa, hiatrika fanadinana, misy loza na tsy fahasalamana tampoka…
Miaina ao anatin’ny toe-javatra mafy indrindra ny olona tratran’izy io. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny saina ny tsy fahaizana mifehy izany. Tsy eo amin’ ny saina ihany fa misy fiantraikany amin’ny vatana ihany koa ny rarintsaina. Mitarika sy mampitombo ny fandraisana zava-mahadomelina, mitarika aretin’ny fo sy ny lalandra ny tsy fahazakana izany. Lasa mihombo izany ary mety hanimba ny fiasan’ny atidoha ihany koa. Efa maro ihany koa ny olona lasa marary saina noho tsy fahazakana io rarintsaina diso tafahoatra io. Vokany lasa mikorontana ny fihetseham-po, lasa tsy mahatadidy, mety hitarika ny olona hamono tena ihany koa…
Tsy aretina fa fomba entin’ ny saina miatrika trangan-javatra
Tsy aretina fa fitambaran’ ny fomba entin’ny vatana sy ny saina miady sy miatrika trangan-javatra na dona iray ny atao hoe rarintsaina. Indraindray, ilaina izy io mba hanerena hanao zavatra sy hanatanteraka asa iray. Mamokatra tsirim-panentana avy hatrany ny atidoha raha maheno trangan-javatra hafa sy mafy. Mba hanome tanjaka ny saina sy ny vatana manoloana ny tranga. Tsy azo sokajiana ho aretina ny rarintsaina raha mbola ao anatin’ny sokajy mitranga tampoka sy indraindray “stress aigue”. Mety ho sarotra ny rarintsaina eo amin’ny olona iray rehefa be loatra ny fanamby ary tsy ampy ny fahafahana miatrika izany. Manampy izany koa, ny fahakelezan’ny herin-tsaina sy herim-batana entina miatrika trangan-javatra iray. Toy ny trangana fahafatesana eo amin’ny fianakaviana na olona akaiky, fahaverezan’entana, tsindry eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny mpiara-miasa…“Mivadika aretina kosa izany, raha lasa tranga miverimberina sy tsy zakan’ny sain’ny olona iray intsony. Io ilay antsoina hoe “stress chronique”, tsy maintsy ilaina fandraisana an-tanana any amin’ny mpitsabo manokana mahakasika izany”, hoy ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana, Dr Njaka. Tsy tokony hatahorana ny rarintsaina mandalo, raha hain’ny olona ny mifehy azy.
Miseho amin’ny endrika isan-karazany
Maro ny fomba fisehoan’ izany eo amin’ny tsirairay, arakaraka ny toe-batan’ny olona. Raha ho an’ny ankizy, lasa mitomany lava, mitoka-monina, midongy… ny fisehony. Mety tsy hampahazo aina ho an’ny tanora kosa izany. Amin’ny ankapobeny, mahatonga ny vatana hanakotsako, torovana, taitaitra, tsy mahafehy fihetseham-po, mikorontana ny fandevonan-kanina, tsy mahita tory, te hitomany, marary an-doha lava, mahatsapa reraka vao taitra, be fanahiana lava, mihintsam-bolo, mivoaka ny aretin-koditra toy ny «psoriasis», mikorontana ny tsirim-panentana… Ilaina hatrany, noho izany, ny manatona mpitsabo mba hahazoana ny fandraisana an-tanana sahaza.
Alamina tsara ny fandaharam-potoana
Tsy maintsy mandalo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ny tsirairay. Anisan’ireo antony lehibe mahatonga rarintsaina eo amin’ny olona iray ny asa. Azo sorohina tsara anefa izany. Ireto misy torohevitra vitsivitsy. Mametraka lamina hitantanana ny fiainana andavanandro, mitsiky hatrany mba hamokaran’ny vatana «hormones» miady amin’ny rarintsaina. Alamina ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny asa. Antony iray mahatonga tebiteby sy rarintsaina tokoa ny enjikenjika ara-potoana amin’ny fanantanterahana ny asa. Manao fanatanjahantena, atao ampy tsara ny torimaso. Misakafo ara-pahasalamana mba hampatanjaka ny vatana sy ny saina ary hampitombo ny hery fiarovana. Maka fotoana hakana aina.
Hoditr’akondro, fanalana rarintsaina
Anisan’ny akora iray tsy ilain’ny olona ary ariana fotsiny ny hoditr’akondro. Tafiditra ao anatin’ny fanalana sy azo atao hiadiana amin’ny rarintsaina izy io. Toy izao ny fikarakarana sy fampiasana azy. Ampangotrahina ny rano 1 litatra. Sasana madio tsara ny hoditr’akondro iray ary alefa ao anatin’ilay rano mangotraka. Avela hitanika eo ambony afo mandritra ny 10 minitra ary esorina avy eo. Rehefa izay dia sotroina avy hatrany. Marihina fa tsy azo tehirizina fa manao vaovao isaky ny hisotro.
Nanatontosa : Mino