Adina ara-panatanjahantena-BEPC : mitaraina ny mpitantana sekoly fa itakiana vola ny mpiadina

Tsy manana kianja hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny minisitera roa voakasika mandritra ny fanadinam-panjakana nefa tsy nanokana sora-bola mahakasika izany. Ny mpiadina no manome fandraisana anjara.

Tafiditra amin’ny fanabeazana ny taranja fanatanjahantena eny anivon’ny sekoly ka tsy tokony hakana vola avy amin’ny mpiadina ny fanatanterahana izany ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC sy bakalorea. Tsy izay no miseho eny anivon’ny Cisco sasany, nitondra fitarainana teny anivon’ny Vovonana nasionalin’ny sekoly tsy miankina ny talen-tsekoly. Ho an’ny mpiadina ao Ambovondrama­nesy, Cisco Mahajanga II, mi­tondra vola 7 000 Ar ny mpiadina tsirairay hiatrika izany fa­nadinana izany amin’ ny BE­PC. Ho an’ny Cisco Fa­ra­tsiho, 500 Ar kosa no alaina amin’ny mpiadina. Raha ny zava-misy, iantsorohan’ny ka­o­­minina ny fampitaovana re­he­tra ny kianja: fiambenana, fa­noritana… ka mila vola. Tsy nanokana sora-bola mahakasika izany ny minisiteran’ny Fa­nabe­azam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ka tsy maintsy misy sa­rany ny fampiasana ny kianja.
Iray volana mialoha ny adina an-tsoratra no tapitra ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana roa. Eo am-panomanana ny fiatrehana izany ny tomponandraikitra sa­mihafa amin’izao fotoana izao.
Ho an’ny Dren Bongolava indray, nampivory ny talen-tsekoly rehetra ny tomponandraikitra satria hiantohana ny fampiantranoana sy ny sakafo ary ny “indemnité” an’ireo olona hampanao ny adina, tombanana ho 12, mandritra ny dimy andro, ao anatin’ny Dren. Mila vola koa ny fakana sy ny fanaterana ny antontan-taratasy momba izany ho eny amin’ny foibem-panadinana tsirairay rehefa vita. Tsi­paipaika avy amin’ny mpiadina no angonina hanatanterahana izany. Mise­dra olana izany ny fanomanana ity adina ara-panatanjahantena ity, izay marihina fa tsy an-tery ho an’ny fanadinana BEPC, tsy maintsy atrehina kosa ho an’ny bakalorea.

Vonjy

Partager sur: