Hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato, ny 24 sy 25 aprily izao, ny Forum de la mobilité urbaine du grand Antananarivo. Atrikasa momba ny fanatsarana ny fitaterana an-tanàn-dehibe. Tanjona ny hampivoarana ny asa fitaterana eto Antananarivo izay hatomboka amin’ny tetikasa hanatsarana ny fitrandrahana eny amin’ny « rocade ». Misantatra izany ny eto Antananarivo ary haparitaka manerana ny tanàn-dehibe isam-paritra ny tetikasa aorian’izay.
Hisy, araka izany, ny lohahevitra hovoaboasana mandritra ny roa andro anaovana ny atrikasa. Horesahana manokana ny fomba fitantanana ny fifamoivoizana (gouvernance de la mobilité), ny « professionnalisation des taxi-be. Hitondra fanazavana momba ny intermodalité sy ny fametrahana paikady samihafa ireo matihanina momba ny fitaterana sy ny fifamoivoizana samihafa.
Miantraika amin’ny famokarana sy ny toekarem-pirenena ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mitombo ny fandaniana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny fitondram-panjakana. Manaraka ny fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe ny fanafarana solika ataon’ny fitondram-panjakana. «Miantraika mivantana amin’ny fidiram-bolan’ny orinasa ny fitohanana isan’andro. Mazàna tara avokoa ireo entana tokony haterina, izay miteraka fahasorenan’ny mpanjifa. Noho izany, voatery mitady vahaolana hafa izahay », hoy ny mpandraharaha iray eto an-drenivohitra.
Toekarena
Manodidina ny 44% ny toekarem-pirenena ny eto Antananarivo, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Noho izany, hanampy amin’ny fampiroboroboana izany ny fampihenana ny fitohanana sy ny fanavaozana ny tontolon’ny fitaterana. Marihina fa ratsy kalitao sy tsy ara-dalàna ary tsy manaraka ny fenitra takina ny ankabeazan’ny fiara fitaterana eto Antananarivo.
Henintsoa H.