Mivoatra miitatra hatrany ny sehatry ny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana MVola ny Voiladoc. Azon’ny mpanjifa atao, araka izany, ny mahazo ny tolotra avy amin’ny lafiny fahasalamana niomerika. Toy ny fangatahana fotoana handehanana any amin’ny mpitsabo, mandritra ny fotoana rehetra, indrindra ho an’ireo mipetraka any ambanivohitra sy lavi-toerana.
Azon’ny mananan-draharaha atao ny mandoa amin’ny findainy ny sara-pitilian’ny dokotera, noho ny Voiladoc ao anatin’ny MVola. Haingana, mampihena ny fotoana lany izany, manamora ny fikarakarana azy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot, fa zava-dehibe izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao. Taratry ny fampiasana ny teknolojia amin’ny filan’ny mpanjifa andavanandro, toy izao fahazoana fahasalamana araka ny tokony ho izy izao.
Ho an’ny tale jeneralin’ny Voiladoc, Emmanuel Samuel, « dingana vaovao hanatraranay ny tanjonay ity, mba hahazo fahasalamana daholo ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Hanamora ny fitsaboana azy ireo ho tsara kalitao ».
Njaka A.