Manana fotodrafitrasa ahazoana angovo avy amin’ny masoandro ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, tantanin’ny orinasa Ravinala Airports. Efa nanomboka ny volana marsa teo no nampiasana azy, ahafahana mitsinjo ny tontolo iainana. Ampiasaina hikarakarana ny fifamoivoizana ana habakabaka amin’ny andro mazava ity fotodrafitrasa ity. Fantatra fa hiantoka ny 35% ny herinaratra ilaina ao amin’ny seranan’Antananarivo sy Nosy Be ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro.
Manana ny fahazoan-dalana sokajy faharoa avy amin’ny ACA (Accreditation Carbon Airport), mahakasika ny famoahana entona karbona eny amin’ny seranan’i Nosy Be. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa hampihenana ny entona karbona eny amin’ny seranam-piaramanidina (ACI) izany, nanomboka ny taona 2019.
Manana tanjaka 52 kWc ity fotodrafitrasa ity, sahaza amin’ny filan’ny seranam-piaramanidina amin’ny andro mazava. Hampitombo maharitra ny tolotra omena ny mpanjifa ny fisiany, satria lasa tafo azo ialofana sy ipetrapetrahan’ny olona ao ambanin’ireo takela-masoandro. Ary toraka izany koa ho an’ny fiarakodia miantsona eny an-toerana. Mafana mandavan-taona rahateo any Nosy Be.
Njaka A.