Tao anatin’ny telo volana: miisa 36 883 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara

Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara. Ny volana marsa teo, miisa 14 550 ireo nitsidika ny Nosy malagasy.

Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Miakatra miandalana ihany koa ireo antotanisa voaangon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Ny volana marsa teo, nahatratra 14 550 ireo mpizahatany tonga teto an-toerana. Mitotaly hatrany amin’ny 36 883 kosa izany tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona, araka ny tarehimarika navoakan’ny minisitera hatrany. Niakatra ity antotanisa ity raha oharaina tamin’ny volana marsa tamin’ny taon-dasa, izay miisa 12 442. Ny taona 2019, tafakatra hatrany amin’ny 15 967 kosa ireo mpizahatany nitsidika ny Nosy malagasy. Vanim-potoana azo itarafana ny habetsak’ireo mpivahiny tonga eto Madagasikara. Ankoatra izay, teratany frantsay avokoa ny 43,84% amin’ireo mpizahatany, teratany malagasy avy amin’ny “diaspora” ny 9,09%, raha 47,07% kosa avy amin’ireo firenen-kafa toa an’i Maorisy, Inde, Italie, Chine, Allemagne ary Etazonia. Tsiahivina fa manodidina ny 22 333 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara tao anatin’ny roa volana voalohan’ny taona, ka ny 11 250, ireo antotanisa voaangona nandritra ny volana janoary, raha toa ka 11 083 izany ny volana febroary teo.
Tarehimarika
Anisan’ny toerana mandray mpizahatany betsaka indrindra i Nosy Be noho ny hakanton’ny toerana. Ankoatra izay, betsaka ihany koa ireo sidina iraisam-pirenena migadona ao amin’ity Nosy ity, isan-kerinandro, eo koa ireo sambo lehibe (paquebots) mitondra mpizahatany tonga ao an-toerana.
Sehatra iray mampidi-bola ny firenena ny fizahatany, ny taona 2023, mitentina hatrany amin’ny 534 084 248 euros ny vola vahiny azo tamin’izany. Izany hoe, efa ho avo roa heny no ho ny tamin’ny taon-dasa, izay 351 577 003 euros.

Henintsoa Hani

Partager sur: