Nitondra fivoarana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana vaksiny hisorohana ny fahafatesana. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny taorian’ny fiparitahan’ny aretina Covid, ka mila ezaka ny fanentanana ny olona sy ny tsy fahatapahan’ny famatsiana eny amin’ny tobim-pahasalamana.
50 taona amin’ity taona ity ny fandaharanasa fanaovam-baksiny maneran-tany, izay nitondra fivoarana tsara ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Io ny fanazavan’ny mpanolotsaim-paritry ny Unicef misahana ny fanaovam-baksiny ho an’ny faritr’Afrika Afovoany sy Andrefana, dokotera Celestin Traoré, tao anatin’ny fivoriana ampitain-davitra nandraisan’ny Remapsen Madagasikara anjara. Vaksiny 20 ampiasaina hisorohana aretina 20 no efa misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny raboka, lefakozatra, difteria, meningite…tazo sy ny covid-19 izay nampidirina vao haingana. Fomba iray mahomby hiarovana ny vahoaka, indrindra ny ankizy ny vaksiny nefa tsy lafo raha mitaha amin’ny fitsaboana, raha sendra marary vokatry aretina azo sorohina amin’ny fanaovana vaksiny izy ireo. Raha manokana vola 1 dolara ho an’ny vaksiny ny firenena iray, miteraka tombontsoa 48 dolara izany satria voaaro ny vahoaka ao aminy ka afaka mamokatra. Ho an’ny faritr’i Afrika Afovoany sy Andrefana, manodidina ny 69% ny tahan’ny fahavitan’ny fatra fahatelo amin’ny vaksiny miaro amin’ny difteria sy ny kohadavareny, izay tsy niova tao anatin’ny telo taona farany. Tanjona lehibe ny hanatsarana ny taha ka hahatrarana ny 90%. Manao ezaka ny Unicef, miaraka amin’ny firenena tsirairay iasany, satria izy ireo no mamatsy ny vaksiny ho an’ny 50% ny ankizy maneran-tany. Sady mividy ny vaksiny izy ireo no mandefa izany amin’ny toerana rehetra.
Tao anatin’ny 14 taona (2000-2014), nahafahana nampihena 25% ny taham-pahafatesana ho an’ny aretina kitrotro ny vaksiny ho an’ny faritra Afrika.
Vokatry ny vaksiny, tombanana ho olona 25 tapitrisa no tsy hahantra fa afaka mamokatra rehefa salama ka hitondra fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny fireneny hatramin’ny taona 2030.
Vonjy