Nifarana omaly ny lalao isan-tarika ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay natao tany Ouganda, taranja tenisy ambony latabatra “Ping-pong”. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’izany ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalao voafantin’i Ouganda, mpampiantrano.
Raha hiverenana ny lalao famaranana nataon’izy ireo. Teo amin’ny lalao voalohany, resin-dRazafinarivo Antoine, Malagasy mpilalao, tamin’ny seta 3 no ho 0 (11,5/11, 8/11,9) i Senyonga Jonathan, teratany ougandais. Nandritra ny fihaonana faharoa, niondrika teo anatrehan-dRakotoarimanana Fabio, teratany malagasy, seta 3 no ho 0 (11,3/11,7/11,9), i Sebatindira Joseph, ougandais mpilalao. Farany, noresen-dRavonison Stephen, tamin’ny seta 3 no ho 2 (11,8/11,13/12,10/5, 11/11,9), i Ankuda Samuel, avy ao an-toerana ihany.
Tsara ny mampahafantatra fa nahintsan’i Madagasikara tamin’ny isa 3 no ho 0 i Djibouti, nandritra ny manasa-dalana. Ankoatra izay, teo amin’ny laharana fahefatra no nisy an’i Madagasikara, teo amin’ny sokajy vehivavy. Resin’i Rwanda, 3 no ho 2, ny vehivavy, Malagasy mpilalao, nandritra ny fiadiana ny medaly alimo.
Fitia Randria