Tafiditra ho anisan’ny mpamorona ny mpanoratra. Tokony hisitraka ny zony araka ny tokony ho izy. Milaza ny heviny momba io i Rado Ramaherison, mpanoratra.
Gazety Taratra (*) : Tsy misy fiarovana ny zon’ny mpanoratra sy pôeta, hoy ianao. Fa tsy ao anatin’ny Omda (Rafitra miaro ny zon’ny mpamorona), angaha ianareo ?
Rado Ramaherison (-) : Ao anatin’ny Omda izahay, saingy, rehefa tonga eny an-toerana, tsy misy resaka hafa, afa-tsy ny olan’ny piraty eny. Raha manontany ny zon’ny mpanoratra izahay, tahaka izao ny santionan’ny valin-teny azo amin’izany : « mandehana alaivo any amin’ny Radio ny « fiche conducteur » nampiasain-dry zareo »! Anjaranay ve ny manao io asa io ?
Voahajanay tsara ireo fepetra arahina rehefa mametraka sanganasa ao amin’ny Omda. Anisan’izany ny vola aloa, izay mafy ho anay mpanoratra ny fanefana azy, kanefa, tsy misitraka ny tokony ho zonay izahay. 200ar isaky ny tononkalo no aloanay. Raha mamoaka boky 250 pejy, dia mandoa 50 000ar. Marihiko tsara fa tsy misy olana amin’ny Omda izahay mpanoratra fa manaitra kosa ny tomponandraikitra mba hitodika aty aminay.
* Sao kosa tsy hita na takona ny lanjan’ny mpanoratra manoloana ny hafa (mpihira, mpamoron-kira…) ?
– Indreto misy tranga hanehoana fa manana ny lanjany ny mpanoratra. Any amin’ny fanadinana Bakalorea: « Fakafakao sy hadihadio ity tononkalo ity ». Matoa izy ireny voafidy tahaka izany, manana ny lanjany. Mandray anjara lehibe amin’ny fampivelarana ny hira sy ny tarika iray manontolo ny tononkira. Sanganasan’ny mpanoratra ireny. Manana ny lanjany izany ny mpanoratra, sns.
Mila araha-maso akaiky ny fampiasana ny sanganasan’ny mpanoratra. Tsy misy mijery ny dika mitovy ataon’ny olona amin’ny boky (tantara, tononkalo, kabary…). Tantara mandeha amin’ny Radio eto Antananarivo, amidin’ny piraty 200ar ny iray, eny amin’ny mpampiditra hira, any Mahajanga… Manao antso avo izahay, mba hitodio re ny mpanoratra sy ny pôeta e!
Nitafa :
HaRy Razafindrakoto