Lasa ny 500 000 Ar: mpangarom-paosy matin’ ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsi­pihina, afakomaly. Nahazo fampitam-baovao ny zandary niasa tao an-toerana momba ny fisian’ity jiolahy ity izay hita mihaodihaody ao an-tsena. Efa-dahy ry zalahy no mpiara-manao asa ratsy saingy tafatsoaka ka nenjehin’ny fokonolona. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary fa nisy fifanjevoana tao an-tsena. Olona maromaro no voalaza fa voaendaka sy voaharom-paosy. Tokony ho 5 hetsy Ar ny vola lasan’ireo mpangalatra ka nirifatra nitsoaka izy ireo. Tratran’ny fokonolona anefa ny iray ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany.
Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatotsipihina. Naratra mafy ilay jiolahy niharan’ny vono sy daroka nataon’ny fokonolona tao an-tsena tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nentina nihazo ny CSB 2 izy saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny zandary no nahafantarana fa avy any Ambohiman­droso ity jiolahy namoy ny ainy ity. Velon-taraina hatrany ireo mpiantsena amin’ny afitsoky ny mpangarom-paosy sy mpanendaka ao amin’io tsena io. Nentin-katezerana ny olona ka nitondra faisana izay tratran’izy ireo.

J.C

Partager sur: