« Karana », io ny anarana ahafantaran’ny mpilalao fanorona an’Andriamampianina Lanto Harifetra. Mpikabary ihany koa ity tale teknikan’ny fanorona, teo aloha, ity. Ireo traikefa ananany ireo, niampy ny fikarohana vitany no nilazany fa: « misy ifandraisany ny fanorona sy ny kabary ». Dinika nifanaovana taminy.
Gazety Taratra (*) : Sady mpikabary ianao no mpilalao fanorona. Misy mampifandray na mampiombona azy ireo ve?
Andriamampianina Lanto Harifetra (Karana) (-) : Misy tokoa! Tsara ho fantatra izy ireo mba hampirindra tsara ny kolontsaina malagasy. Ho an’ny fanorona, ny saina no miasa. Ny tanana no manatanteraka izay voavolavolan’ny saina, dia ny fibatana ny vato izany. Ho an’ny kabary, ny saina no miasa. Ny vava no manatanteraka izay voavolavolan’ny saina.
Ny fanorona ahitana tsipika telo mitsangana, mitsivalana ary misompirana. Ny kabary ahitana rafitra mazava tsara: fiarahabana, ny azafady, ny fialantsiny, ny ventin-kabary ary ny fisaorana. Tsy maintsy manaraka ireo tsipika ireo ny fanorona. Tsy azo atao ny mandingana, na mandeha amin’ny lalana tsy izy ary ny miverin-dalana. Ho an’ny kabary, tsy azo atao ny miteniteny foana mba tsy hamato-tena. Fantatra ny hevitry ny teny avoaka. Izay resy amin’ny ady, mihinam-bela, izay azo adika ho sazy. Ho an’ny kabary, izay tsy mahavaha fanontaniana (vodiondry), dia vola ihany koa izay ny sazy miandry azy. Izay tsy afa-bela mihitsy, milelaka ny eo afovoan’ny laka rehefa tapitra ny lalao. Izay resy an-kabary kosa, mitafy henatra lehibe eo amin’ny tany amamonina.
* Efa maro ireo tanora voasariky ny lalao fanorona. Inona ny torohevitra homenao azy ireny raha hikatsaka fandresena?
– Raha fintinina, mahatratra 16 any ho any ny torolalana tokony harahina raha hikatsaka fandresena. Ampahany ihany ireto. Miezaka ny hampikizo mandrakariva ny mpifanandrina. Miezaka maka ambim-bato na ho faty na ho velona, indrindra raha mbola tsy havanana loatra amin’ny kaonty. Rehefa tsy hitanao izay aleha, mihinana be dia be. Jereo ny fahaizan’ny mpifanandrina aminao, na tokony halalahana ny ady na teriterena. Ataovy anaty vato mihinana foana ny vaton’ny mpifanandrina fa tena sarotra ny mikaonty an’io. Aza mitondra ady tsy manafika. Ny famerimberenana ny zavatra (tranga) efa hita, mampitombo haingana ny fahaizana, ka mivadika ho tsianjery. Miovaova mpifanandrina matetika. Miezaha mitady ady vaovao hatrany. Aza mitondra ady efa hainao fa manjary mandany fotoana.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto