Tanterahina amin’ireo oniversitem-panjakana miisa telo, manerana ny Nosy, ny tetikasa “IRF-Tanora”. Tanjona ny hitondra fanatsarana sy fanamafisam-pirahalahiana eo amin’ny samy mpianatra. Hiantoka ny fandriampahalemana eny amin’ny Oniversite, manoloana ireo disadisa
miseho amin’ny endriny samihafa, eo amin’ny samy tanora mpianatra ny tetikasa. Hisitraka izany ny oniversite telo, ny oniversiten’i Maninday Toliara, Barikadimy Toamasina ary ny oniversiten’ Antananarivo, izay ahitana tsy fandriampahalemana matetika. Natao tamin’ity herinandro ity ny tetikasa «IRF-tanora» ho an’ny oniversiten’Antananarivo. Nanatrika izany ireo mpianatra sy fikambanan’ny mpianatra teny an-toerana.
Nampahafantarina tamin’ izany ireo paikady maro ahafahana mitaky ny vatsim-pianarana anaty filaminana, ny fananganana tetikasam-piarahamonina mifandray amin’ny filaminana sy ny fampianarana mitantana fikambanana.
Kendrena ny hametrahana filaminana eo amin’ny samy mpianatra sy hisian’ny fiarahamonina mirindra eny amin’ ny oniversite. “Iankinan’ny fahatoniana amin’ny fiatrehana ny fianarana ny fisian’ny fandriampahalemana ka zava-dehibe ny fahatanterahan’ny tetikasa”, hoy ny avy ao amin’ ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Matetika mitranga eny amin’ny oniversite ny tsy fifanarahana eo amin’ny samy mpianatra na samihafa fihaviana na koa herisetra amina karazana fitakiana isan-karazany.
Tatiana A