Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny ivontoerana American Center, izay toerana misokatra ho an’ny daholobe. Hahafahan’ny tsirairay mampivelatra ny fifandraisany mivantana sy ana habaka amin’i Etazonia, amin’ny alalan’ny fahazoana vaovao ny Amerika, ny fampianarana teny anglisy, ny torohevitra momba ny fianarana any Etazonia, ny teknolojia avolenta, izany. “Ahafahana manao fifanakalozana sy fandaharanasa hafa ihany koa. Ezaka hampiroboroboana ny fifankahazoana sy ny fiaraha-miasa ary ny fivoarana eto Madagasikara sy any ivelany ny American Center”, hoy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo. Ahitana fitaovana avolenta, toy ny imprimante 3D, hanampiana ireo mpianatra momba ny siansa, teknolojia sy ny injenera ary matematika ao an-toerana izy ity. Hanitatra ny fahaiza-manao ara-teknikan’izy ireo ihany koa. Hahafahana manao hetsika atrehina mivantana na ampitain-davitra ny ivontoerana, toy ny fianarana teny anglisy amin’ny alalan’ ny internet sy ny fampiasana ireo solosaina miisa 10 misy internet haingam-pandeha hanaovana fikarohana. Misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra, ny talata maraina manomboka amin’ny 8 hatramin’ny 12 ora, ny alarobia tolakandro amin’ny 2 hatramin’ny 5 ora, ary ny zoma maraina amin’ny 8 hatramin’ny 12 ora ny ivontoerana.
Ireo mpampianatra, mpianatra ary ireo rehetra liana hitsidika voalohany ny ivontoerana dia afaka misoratra anarana amin’ny American Center.Tana@gmail.com satria voafetra ny toerana.
Tatiana A