Fanafihana voasoroka : dimy lahy mpamerin-keloka lavon’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ravan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomandiny, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana, nikononkonona asa ratsy izy dimy lahy ireo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra anefa ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony avy hatrany ny FIP ao an-toerana. Tsy ankitsitsy, nikasa hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo olon-dratsy vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fanenjehana. Nampiasa basy PA sy antsy lava ireo dimy lahy. Nanda ny fampitsaharan’ny polisy izy dimy lahy. Vokany, voatifitra ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ireo. Nahatrarana ody gasy niampy fitaovam-piadiana saika hampiasana tamin’ny asa ratsiny teny amin’izy ireo.

Gadra nandositra
Gadra ao amin’ny fonjan’i Toamasina ny roa lahy tamin’ ireo lavo, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Ankoatr’ireto jiolahy lavo ireto, mitohy ny hazalambo ataon’ny polisim-pirenena ireo jiolahy naman’izy dimy lahy lavo ireto. Nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana manga­tsiakan’ireo olon-dratsy lavo. Tsiahivina, nahatratra 23 ireo jiolahy lavon’ny mpitandro filaminana ary nahazoana basy valo sy bala 43 tao Toama­sina, tamin’ny taona 2023.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: