Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 15 taona tao Amparafaravola. Mpifanila trano amin’io lehilahy io, nadalainy matetika ny zanaky ny zaobaviny. Miara-matory amin’ny zandriny ao amin’ny lakozia anefa io ankizy io. Alain’io lehilahy tsy valahara io matory ao aminy ilay ankizivavy rehefa alina. Rahonany ho vonoina ity farany raha toa ka mamaly ny herisetra atao aminy. Nitomany tampoka ny zandrin’ilay ankizivavy tsy nahita azy teo amin’ny fandriana natorian’izy ireo indray alina. Nitoroka teny anivon’ny manam-pahefana ny fianakavian’ny lasibatra. Voamarina fa niharan’ny fanararaotana ara-nofo io ankizivavy vao 15 taona io. Nokarohina ny nahavanon-doza ka tra-tehaka tao Ambatolampy Sodeca, kaominina Ambohijanahary, distrika Amparafaravola, ny alarobia teo.
Tsiferana R.