Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray novelesin’ny vadiny tamin’ny fanoto teny Ambohitrarahaba, afakomaly alina. Hasarotam-piaro no nitarika ny adin’izy mivady ka niafara tamin’izao fandratrana izao. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Nitsoaka kosa ilay rangahy vadiny.
Nosamborin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpangala-damba tao
amin’ny Bazar Be Toamasina, omaly. Efa nanao io asa ratsy io izy herinandro lasa. Nofandrihan’ny mpivarotra. Naka entana tao amin’ny tsena miisa roa izy ka noraisim-potsiny.
Mpitondra scooter iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Malaza Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy 25 avrily teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ilay mpitondra moto. Nanavotra azy ny manodidina saingy tsy tana ny ainy. Nandositra ny fiara nandona.
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana i Ngiagnany, dahalo raindahiny tao Tsihitanizanatany, kaominina Analalava, afakomaly. Nifanehatra tamin’ny zandary nanao fisafoana izy ireo ka vaky nitifitra. Nitsoaka ny namany efa-dahy izay mbola ifampitadiavana amin’izao fotoana.
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ilay lehilahy nisandoka ho kaomandà eo anivon’ny Tafika, afakomaly. Nisoloky andraikitra, nampiasa fanamiana miaramila tsy ara-dalàna izy ka antony izao fihazonana am-ponja azy izao.