Hifarana rahampitso, etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Tsenabe ho an’ny zava-maniry”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny Rian’ala nanomboka ny 25 Avrily teo. Ahitana tranoheva 50 mampiranty ny vokatra azo avy amin’ny fikolokoloana ny zava-maniry eny an-toerana. Anisan’izany ireo karazana masomboly hatrany amin’ny vokatra azo jifaina. “Tsy voatery ho voninkazo anaty fitoerany na hazo fa homena sehatra ihany koa ny vokatra azo ampiasaina atao fanafody sy amin’ny endrika amam-bika ihany”, hoy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana, Rakotojaona Baholisoa. Nilaza izy fa ahafahan’ny fambolena zava-maniry mizaka tena manokana eo amin’ny fanatontosana foara ny antony nikarakarana ny hetsika. Nambarany hatrany fa tena betsaka ary mihamaro hatrany ny lalam-pihariana azo atao ao anatin’ny zava-maniry ary ezaka ataon’izy ireo ny hanatrarana ny tanjona.
Manan-danja eo amin’ny olona ny zava-maniry
Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay ny fikolokoloana sy fambolena ny zava-maniry. “Anisan’ny ravaka sy haingo ho an’ny tokantrano izy ireny ary miady amin’ny rarin-tsaina mety mahazo ny tsirairay ihany koa”, hoy hatrany ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana. Vondron’olona tiliana amin’ny hetsika ny olon-drehetra na kely na lehibe satria samy mankafy sy mahafantatra ny vokatsoa azo avy amin’ny zava-maniry avokoa ny rehetra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ezahina ny hanatsarana ny hetsika amin’ny taona ho avy, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mino