Fahasalamana any Anôsy: notokanana ny CSB2 ao Ranopiso

Andry ifaharan’ny fampandrosoana ny fahasalamana izay miantoka ny fitsimbinana indrindra ny maha olona. Izany indrindra no antony nananganana ny CSB2 any amin’ny faritra alavitra andriana, toy ny ao Ranopiso, Anôsy.

Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB2 vaovao ao amin’ny kaominina Ranopiso, ao amin’ny faritra Anôsy. Tafiditra amin’ny andry voalohany amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fahasalamana izay mitsinjo ny maha olona ka antony anorenana fotodrafitrasa mahakasika izany.
Hahafahana mitsabo ny aretina rehetra ny CSB2 vaovao manara-penitra. Teo aloha, betsaka ny renim-pianakaviana maty eo am-piterahana noho ny tsy fisian’ny tobim-pahasalamana eny ifotony. Toraka izany ireo zaza vao teraka izay ratsy karakara ka maty. Hisorohana izany indrindra ny fisian’ny CSB2 ao an-toerana.
Arifomba ny toerana fana­o­vam-baksiny sy ny vata fampangatsiahana ho fitehirizam-baksiny. Tsy voatery mamonjy ny renivohitry ny distrika intsony rehefa hitsabo tena na hanao vaksiny ny zaza fa vita ao amin’ny CSB2 avokoa.
Nilaza ny minisitry ny Fa­ha­salamam-bahoaka fa hisy ny fisitrahana fitsaboana maimaimpoana amin’ny fanokafana fotodrafitrasa ara-pahasalamana toy izao.
Tsy ny tanàn-dehibe ihany no anaovana asa fa eo koa ny kaominina ambanivohitra alavitra tanàna satria mila misitraka izany ny vahoaka tsy ankanavaka, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Lavitry ny fitondram-panjakana ny kaominina Ranopiso tany aloha saingy hanaovana fotodrafitrasa maro izy amin’izao fotoana. Anisan’izany, EPP manara-penitra 3 no efa namboarina. Efa mijoro ihany koa ny CEG, ahafahan’ny mpianatra manohy fianarana.
Efa vita sy azo ampiasana ny foibe fampiofanana arakasa ireo tanora, ahafahany miofana mba ho afa-misitraka asa haingana.

Tatiana A

Partager sur: