IDA 21 : vinavinaina hitombo avo telo heny ny an’i Madagasikara

Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisitrahana ny IDA 21. Izany indrindra no anton’izao fihaonana an-tampony izao. Miezaka hatrany ny tomponandraiki-panjakana manao ny ezaka ahafahana misitraka hatrany ity fanampiana ity.

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ao Nairo­bi – Kenya, ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana. Ny mahakasika ny fanangonam-bola ho an’ny IDA (Association de développement international) 21 no ho­dinihina mandritra izany. Ireo firenen-dehibe mpiara-miombon’antoka, mpamatsy volan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ary ireo Firenena Afrika­na misitraka famatsiam-bola avy amin’ny IDA no miatrika izany. Anisan’ny nahazo fanasana manokana hanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry, ary manana anjara fitenenana mandritra ny fotoana izy.
Anisan’ireo rantsana telo mandrafitra ny Banky iraisam-pirenena ny IDA na fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana. Fire­nena miisa 75 no efa nisitraka ny famatsiam-bolan’ity fikambanana ity, ary tafiditra tao anatin’izany Madagasikara nandritra ny IDA 20. Ao ana­tin’izao fihaonana izao, amin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenan’ny filoha malagasy no hanaovany adisisika, handresy lahatra, ireo firenena mpikambana, mpiara-miombon’antoka ary mpamatsy vola hampitombo ny famatsiam-bola ampiasaina hanampiana ny firenena mila fanohanana amin’ny fampiroboroboana ny seha-pampandrosoana maro ilaina.
« Fotoana ahafahana ma­nangom-bola entina hanampiana ny firenena andalam-pandrosoana ny IDA. Anisan’ ny efa nisitraka izany i Mada­ga­sikara, nahafahana nanao tetikasa maro, sahala amin’ny fanamboarana kara-tany faobe, ny fanamboaran-dalana ary ny fiahiana ara-tsosialy maro samihafa”, hoy ny minisitry ny Fitatanambola sy ny Toekarena. Nanodidina ny 600 tapitrisa dolara ny fama­tsiam-bola ho an’i Madagasi­kara, ho an’ny IDA 20. Vina­vinaina hitombo avo telo heny kosa izany amin’ity IDA 21 ity, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitatanambola sy ny Toekarena hatrany.
Ankoatra izay, nisy ny fihaonana teo amin’ny delagasionina notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japo­nais, sy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapan’ Ambohitsirohitra. Anisan’ny noresahin’ny roa tonta tamin’izany fihaonana izany ny fandinihana ny mety ho fanatsarana ny fiaraha-miasa. Teo ihany koa ny tatitry ny fiara­ha-miasa sy ny zava-bitan’ity firenena ity, teto Madagasi­kara.

Lin

Partager sur: