INDRAY MIJERY

Anio hatramin’ny 3 mey izao ny fanamarihana ny andron’ny sekoly FJKM, izay hatao eny Ambohimalaza. “Miorena tsara, aza miova”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny hetsika. Fifaninanana ara-kolon-tsaina sy ara-panatanjahantena ary ara-tSoratra Masina no hanamarihana izany.

Notokanan’ny Filoham-pirenena ny ivontoerana hanarenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana na CRNM ao Amboasary Atsimo. Misy toerana fitahirizana ireo fanampiana sy vokatra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tokantrano marefo ara-pivelomana miisa 500 no nisitraka vatsy ara-tsakafo ho fanohanana azy ireo. Hisy ny fiofanana amin’ny fandrahoana sakafo ara-pahasalamana sy manaraka ny vokatra misy ao an-toerana, ho an’ireo vehivavy sy reny.

Nankasitraka manokana ireo mpitan-tsoratra, mpandrindra ary mpandraharaha tao aminy ny masoivoho amerikanina, ny faran’ny herinandro teo. Na Administrative Professionals Week teto amin’ny ambasady. Miantoka ny fandrindrana ny asa ao amin’ny masoivoho izy ireo. Andry iankinan’ny fampandehanan-draharaha ny fanoloran-tena sy fikirizana ary ny fahaiza-manao asehon’izy ireo ka nankasitrahana.

Partager sur: