Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa
Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM Rio Tinto, ny Jirama ary ny fandaharanasa hisian’ny fitomboan-karena (Pic). Hampitombo sy hanatsara ny famatsiana herinaratra ny fisian’ity toby vaovao ity. Sady hitsinjovana ny tontolo iainana eto Madagasikara ny angovo azo havaozina. Manohana ny fanjakana ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fametrahana tetikasa mifantoka amin’ny angovo madio sy maharitra toy izao.
Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa himasoana ny fialana tsikelikely amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Notsipihiny fa andanian’ny fanjakana 1 200 miliara Ar isan-taona ny tetibola hividianana solika ho an’ny Jirama.
Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, fa manana tanjaka 8 MW ity tobim-pamokarana ity, ahitana takela-masoandro miisa 14 600. Mbola hiampy 6 MW izany, izay efa eo andalam-pananganana ihany koa.
Herinaratra avy amin’ny rivotra
Ankoatra ireo, hanomboka tsy ho ela ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rivotra (parc éolien) voalohany eto Madagasikara. Ny orinasa Rio Tinto ihany koa no tompon’antoka amin’ny tetikasa, tohanan’ny fanjakana Malagasy hatrany.
Hanana tanjaka 16 MW ny fotodrafitrasa izay hovitaina mialoha ny faran’ity taona 2024 ity. Mahatratra 80 000 ny tokantrano ho afaka hisitraka herinaratra avy amin’izany any Taolagnaro, hampitombo ny famokarana efa misy any an-toerana.
Njaka Andriantefiarinesy