Toetr’andro: arahi-maso ny fivoaran’ilay faritra andro ratsy

Tombanana hikisaka miadana mianatsimo na atsimo andrefana ato anatin’ny 2 andro manaraka, ary mety hitombo hery tsikelikely ho lasa andro ratsy ilay tangoron-drahona ao avaratr’i Mada­gasikara. Io no nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Mbola sarotra ny vinavina lavitr’ezaka ny mety hivadihany ho rivodoza. Na dia misy fi­he­nana aza ny herijika hiseho­an’izany tranga izany dia arahi-maso akaiky ny ho fivoarany.
Omaly, nikisaka niankandrefana ilay tangoron-drahona. Manomboka miha mazava ny faritra misy ny foibeny. Tany amin’ ny manodidina ny 900 km avaratra somary avaratra andrefan’Antsiranana no nisy ny foibeny.
Raha ny antotan-kevitra voaray dia hita fa tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoarany na dia tsy dia hita taratra loatra aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina amin’izany ny hafanan’ny ranomasina amin’izao faran’ny volana avrily izao.
Raha ny mari-drefy voaray tamin’ireo toerana manodidina ilay tangoron-drahona, omaly, sy ny antontan-kevitra avy amin’ny zanabolana dia ma­no­didina ny 30 ka hatramin’ny 40km isan’ ora ny rivotra miaraka aminy.
Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy manomboka ny talata na alarobia. Heverina ho betsaka ny rotsakorana any Diana, Sofia, Sava, Ambatosoa ary Anala­nji­rofo.

Tatiana A

Partager sur: