Behara Amboasary Atsimo: afaka manao voly avotra ny tantsaha

Vita ny tohodranon’i Bera­keta, manondraka ny lemak’i Behara, kaominina Behara, distrika Ambosary, faritra Anôsy. Tanteraka izany, noho ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny famokarana (IDA), ataon’ny minisiteran’ny Fam­bo­lena sy ny fiompiana (Minae).
Araka izany, afaka manatanteraka voly avotra ny tan­tsaha. Natao ny 26 avrily teo ny fizarana kojakojam-pamokarana, hiatrehina ny taom-pambolena 2024. Miisa 250 ny tantsaha, mpamboly nisitraka masomboly vary an-drano milanja 2 250 kg, zezika NPK 3 750 kg ary zezika biolojika 18 750 kg. Notolorana karatra maha mpamokatra ihany koa izy ireo. Fepetra notakina amin’ azy ireo ny fandoavana ny 10%, vidin’ny kojakojam-pamokarana.

Masomboly tsaramaso

Novatsina masomboly fototra, tsaramaso maramara sy mena, milanja 10 taonina koa ny mpamokatra masomboly miisa 400, mpikambana ao anatin’ny Fiombonana Tongasaina. Avy amin’ny fandaharanasa Defis, famatsiana ara-bola Fida no nisitrahan’izy ireo izany.
Nanatrika ny fotoana ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny tohodranon’i Beraketa any Behara, natre­hin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Njaka A.

Partager sur: