Ho fanamafisana ny Politikam-panjakana amin’ny fanatsarana ny voka-pambolena, natomboka omaly ka haharitra dimy andro ny atrikasa « Forum du conseil agricole (FCA) » ho fampiofanana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina momba ny fomba fiasa eny ifotony. Hiompana tanteraka amin’ny « agro écologie » ny atrikasa, entina hanampiana ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fanapariahana ireo fomba fiasa vaovao sy mahomby. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharanasa Accelerating Agroecological Transformation Through Rural Advisory Services (AERAS) sy ny “Programme mondial pour les petits producteurs agro écologiques et la transformation durable des systèmes alimentaires” (GP-Saep) izao atrikasa izao. Tanjona ny hametraka tambajotrana teknisianina hanaparitaka ireo fahaiza-manao amin’ny lafiny « agro ecologie » ao amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Haharitra telo taona ny tetikasa izay haparitaka eny anivon’ ireo saha sekoly samihafa.
Henintsoa H.