Fandaharanasa Rindra : nahazo fampitaovana informatika avo lenta ny INFA

Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra.

Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy amin’ny fandaharanasa Rindra, vatsian’ny USAID ary arin­dran’ny Pnud ny fanolorana fitaovana. Tafiditra amin’ny fampivoarana ny fahaiza-mi­tantana sy ny fanjakana tan-dalàna. Hitondra fanatsarana ny fizarana amin’ny fiofanana ireo fitaovana vaovao, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ ny INFA, Rabenarivolanto Lauréat, omaly, teny Andro­hibe. “Ahazoana manao fiofanana ampitain-davitra sy visio-conférence ny ivontoeram- piofanana miaraka amin’ny fitaovana momba ny teknolojia avo lenta”, hoy ny tale jene­ralin’ny Pnud eto amintsika, Natasha Van Rijn.
Vonona hatrany hanao tantsoroka ho fanamafisana ny fahaiza-mitantana eto Mada­gasikara ny mpiray ombon’antoka. Ankoatra ny fampitao­vana ny INFA, hampiofana ireo mpiasam-panjakana ambony vao nahavita fiofanana sy ireo efa amperinasa koa izy ireo. Hipaka any amin’ny vahoaka ny vokatry ny fampitaovana vaovao satria miasa ho an’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana miofana ao amin’ny INFA, araka ny nambaran’ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana.
Haharitra dimy taona ny fandaharanasa izay nosantarina ny taona 2021, ho an’ny faritra dimy: Analanjirofo, Sava, Menabe, Atsinanana, Menabe ary Antananarivo Renivohitra. Nanokanana vola 15 tapitrisa dolara ny fandaharanasa, ho fanamafisana ny fifampitondrana eto Madaga­sikara.

Vonjy

Partager sur: