Manao adisisika amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, any Kenya. Miompana betsaka amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa fiarovana ny fiovaovan’ny toetr’andro izany.
Nanomboka omaly, ao Nairobi Kenya, ny fihaonana an-tampony faha-21 ataon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny International Development Association (IDA). Fihaonana entina hanampiana ireo tetikasa ara-toekarena sy sosialy ho an’ireo firenena andalam-pandrosoana. Mandray anjara sy handresy lahatra ireo mpamatsy vola, amin’ ny alalan’ireo tetikasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara, ny filoha Rajoelina Andry, ho fanohizana ireo ezaka natomboka tao anatin’ny IDA 20 sy ho fampiroboroboana ny maha olona sy ny indostria. Firenena marefo sady lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Noho izany, hanao adisisika amin’ny fitadiavana fanampiana mahakasika izany ny Filoham-pirenena vokatry ny fandalovan’ny rivodoza mafy sy matanjaka. Manampy amin’ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara ny famatsiam-bola IDA. Mifandray amin’ireo andry telo lehiben’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny ho fampandrosoana an’i Madagasikara ihany koa ireo seha-pampandrosoana vatsiany vola, toy ny tamin’ny IDA 20 izay nahazoantsika 600 tapitrisa dolara. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona.
Tetikasa
Nanampy tamin’ny fanatanterahana ireo tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatry ny angovo ny IDA. Tanjona ao anatin’ireo tetikasa ny hampakarana hatrany amin’ ny 66% ny tahan’ny fisitrahana angovo eto Madagasikara sy hampihenana ny sandan’ny angovo, mba hiroborobon’ny indostria malagasy. Ao anatin’izay ny fanatsarana ny lalana ifamezivezen’ny vokatra. « Vinavinaina hitombo avo telo heny ny famatsiam-bola ho azo amin’ny izao andiany faha-21 izao », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ankoatra izay, nahatratra 27 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ny fampiroboroboana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) izay nahafahana namorona asa hatrany amin’ny 20 000. Namaha ny olan’ny tantsaha ihany koa ny tetikasa « kara-tany » azo tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana.
Henintsoa Hani